TAKELAKA ARA TEKNIKA(ho an’ny tantsaha mpamboly)
Mila fantatra ny fotoana ampiharana ny asa rehetra tokony hatao :
- Fandrarahana zezika eo amin’ny tany hovolena.
- Famotehana ny baingan-tany.
- Fanamboarana sy fandravonana ny saha.
- Famafazana ny voan’anana.
- Fanetsana ny zanak’anana.
- Fanalokalofana ny zanak’anana nafindra.
- Fanondrahana maraina sy hariva.
- Fiavana.
- Fandratsanana sy fanohanana.
- Fiarovana sy fitsaboana ny voly anana.
- Fiotazana ny vokatra.
Raha vita ny fiotazana ny vokatra dia rarahan-jezika sy asaina ny tany, apetraka hiala sasatra ka rehefa tonga ny fotoam-pamafazana sy fanetsana vao hevohevoina indray ny tany mba hanalana ny ahi-dratsy.
Samy manana ny fotoana mahatsara sy maharatsy faniry azy ny karazan’anana rehetra, ka tokony hohajaina fatratra ny fotoam-pambolena.
Miankina indrindra amin’ny toetr’andro sy toe-tanyè ny fanantanterahana ny fotoam- pambolena noho ny ankamaroan’ny voly anana mitady hafanana betsaka (marihina fa ankehitriny dia tsy mitovy amin’ny taloha intsony ny fotoam-pambolena satria ny toetr’andro dia miovaova, izay olana goavana hita taratra ankehitriny).
Noho izany, dia ary ity misy tabilao mampiseho an’izany fotoam-pabolena(miankina am toe-tany sy indrindra ny toetr’andro hita taratra ankehitriny) izany :
Télécharger la fiche ici: Ny tetiandron’ny voly anana ankapoeny sy ny fanajana fotoam-pambolena_TSILANGONY
Auteur: TSILANGONY Tovonirina Yannick