Akora ilaina :
Ahitra maitso (oh : radriaka, dingadingana, « légumineuses ») manan-karena Azota
Ahitra maina (oh : bozaka, fakofako maina) mitondra « Phosphore »
Zezika avy amin’ny biby (oh :tain’omby manankarena Azota ihany koa noho ilay amanin’omby mifangaro aminy)
Akofa na apombolahy mitondra « Phosphore »
Akofa na apombolahy nodorana (nodorana ho mainty fa tsy andrasana ho tonga lavenona) mitondra « Potassium, Fer, Zinc »
Apombo malemy mitondra « Calcium » sy « Vitamine »
Lalivay ; Rano
Siramamy + rano
Ahitra maitso : 5 sobika
Ahitra maina :1 sobika
Zezika avy amin’ny biby (oh :tain’omby) :5 sobika
Akofa na apombolahy :1 sobika
Akofa na apombolahy nodorana : 1 sobika
Apombo malemy : 5 kg
Lalivay :100 ml (1 kaopy gasy)
Rano : 10 l
Siramamy 100g + rano 100ml (1 kaopy gasy)
Dingana 1 : fanetehana madinidika ny akora rehetra mba ho mora lo : ahitra maitso, ahitra maina, zezika avy amin’ny biby (saratsarahina raha mbola mitambabe)
Dingana 2 : fampifangaroana ny akora rehetra handrafitra ny « compost » ka izay mavesa-danja sy be fatra no afangaro mialoha.
Manao sahala amin’ny tendrombohitra kely avy amin’ireo akora isika ka ny zezika avy any amin’ny biby no atao any ambany indrindra, manaraka azy ny ahitra maitso, akofa na apombolahy , ahitra maina,akofa na apombolahy voadoro. Rehefa izay dia afangaro tsara mba tsy ho hita miavaka intsony ny akora rehetra.
Dingana 3 : fametrahana ny akora voafangaro teo amin’ny toerana maloka sy maina ary fanakambanana ireo akora farany
Apetraka amin’ny toerana maloka sy maina ireo akora rehetra rehefa voafangaro tsara. Kajiana mba tsy hihoatra ny 40 sm ny haavon’ilay fangaro ao amin’ny toerana nasiana azy. Vita izay dia araraka eo ambonin’ilay fangaro ny apombo malemy, atao izay hahasarona azy tanteraka fa tsy ny eo ambony ihany no asiana azy. Maka rano 100 ml sy siramamy 100g raha ho an’ny « compost » 100 kg hovokaritsika eto, afangaro tsara io rano sy siramay io vao araraka ao anatin’ilay rano 10 l d afangaro tsara, avy eo araraka ao indray ny lalivay 100 ml izy eto dia afangaro tsara toy ny teo. Rehefa voafangaro tsara ilay rano nasiana lalivay sy siramamy dia tondrahana amin’iny rano iny ilay akora hanaovatsika « compost » efe voasarona apombo malemy teo. Marihina fa io ihany no fanondrahana atao mandrapahavitan’ny « compost »-tsika amin’ny faha-7 andro.Rehefa vita ilay fanondrahana amin’ny rano nisy lalivay sy siramamy iny dia rakofana « sachet plastique » na gony na bozaka, kendrena mba voarakotra ao tanteraka ilay fangaro.
Dingana 4 : Fikarakarana tsy maintsy atao mandrapahatapitr’ilay 7 andro
Avadika indroa isan’andro ny « compost » ao anatin’ny 5 andro manaraka ny nanamboarana azy, ny roa andro farany kosa dia avela izy hitombina. Tapitra izay dia afaka ampiasaina amin’izay ilay « compost »-tsika natao tao anatin’ny 7 andro monja.
Télécharger la fiche technique ici: